Raiso re, Jesoa, raiso re ny fiainanay

 

Fiv :

Raiso, re Jesoa, raiso re ny fiainanay e,
Hamasino hanjary fanatitrao,
dia mba atolory ny Ray


(Andininy, azo hiraina na tanisaina fotsiny)
- Ny voaary manontolo vitanao tam-pahendrena ... Atolory ny Ray
- Ny voly izay mitsimoka mandrakotra ny tany
- Ny bibidia rehetra sy ny vorona any an'ala
- Ny biby fiompinay 'zay manampy anay hiasa...

- Ny fivelomanay itsembohana isan'andro
- Ny ezaka ataonay, na dia tsy mendrika aza
- Ny fahafoizan-tenan'ny mpitsabo ny marary
- Ny fijalian'ny ory, mila sitrany hivelomany...

- Ny fihafian'ireo 'zay mifatotra any am-ponja
- Ny fahorian'ny olona amin'ny tany misy ady
- Ny fifankatiavan'ny mpivady kristianina
- Ny firenen-drehetra tsy ankanavaka eran-tany
- Ny fibebahan'ny mpanota mitodika aminao....

Nampiditra Bariry
Fihirana Hasina p. 358
Fihirana Vaovao p. 536
Vavaka sy Hira p. 772
Vavaka sy Hira p. 806
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124