Na ny Ray na ny Reny

1 Na ny Ray, na ny Reny, na ny mpanabe rehetra,
 'Zay milofo hahaolombanona ny zanaka amam-para:
 Dia zanak'Andriamanitra, 'lay Marina indrindra,
 Ka manomam-pihavanana hanjakan'ny fahamarinana.

Miombom-peo lalandava amy Zanak'Andriamanitra
Ny voaary manontolo sady feno sento lalina,
Mba ho afaka am'izay rehetra toa mamatotra azy,
Ary hahita ny hazavan'ilay Andriananahary!

2 'Reo mpamboly ary koa ny mpiasa tanana rehetra
 Tsy mitandro hasasarana fa ain'ny Tanindrazana:
 Dia zanak'Andriamanitra, 'lay Tia fihavanana,
 Ka manomam-pahamarinana hanjakam-piraisan-kina!

3 'Reo mpitsabo sy mpikaroka tsy mionona amy vintana
 Hanavao ny eto an-tany tsy handevozim-pahafatesana:
 Dia zanak'Andriamanitra 'lay Velona tokoa,
 Mba hamelona firaisan-kina feno fahafahana!

4 'Reo nanaiky hampiely izay mitranga eran-tany,
 Mampiray ny rehetra amy ny ezaky ny hafa:
 Dia miombona amy Tompo, 'lay nanaiky ho tonga nofo,
 Mba hampisy Fahafahana ao anaty Fiadanana.

Nampiditra admin
Ankalazao ny Tompo p. 191
Fihirana Dera p. 292
Fihirana Hasina p. 133
Fihirana Vaovao p. 525
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093