Tsy ny (ahiahy) ahiahin'izao tontolo izao

1 - Tsy ny ahiahin'izao tontolo izao
     Tsy afa-mandray ny Teninao akory
     no lalana iantsoanao ahy ;
     Fa ny miahy 'zay sitraky ny Ray
     Ivelomako manana Anao !

Fiv :
Jesoa Tomponay,
Mahery ny antsom-pitiavanao,

Ka misaotra re, ry Tompo ô !

2 - Tsy ny fitiavan'izao tontolo izao
     Tsy afa-mitia ankoatr'ireo 'zay tiany
     No fiainana atoronao ahy ;
     Fa ny mitia 'zay sitraky ny Ray
     Ivelomako manana Anao !

3 - Tsy ny fiainan'izao tontolo izao
     Tsy afa-miandrandra famonjena akory
     No lanitra ajoronao ho ahy ;
     Fa ny harena sitraky ny Ray
     Ivelomako manana Anao !

Nampiditra pissoa
Ankalazao ny Tompo p. 534
Fihirana Dera p. 245
Fihirana Hasina p. 121
Fihirana Vaovao p. 368
Vavaka sy Hira p. 530
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095