Lavitra akaiky

1. Lavitra akaiky ny eny aminao, Ray ô ;
Vavahady midàna, mankao an-tanàna
No tazako eto.
Ny lalana anefa toa ety dia ety ;
Kizokizo mifefy alan-tsilo mirenty
Tsy maintsy hombàna.

Faly, ravo,
Mikopa-mosara ‘reo olom-boavonjy,
Manainga ny foko ‘zay feno toloko
Hiara-mifaly ao an-tranon’ny Ray ô ;
Miredareda e ny faniriako
Ka te hitroatra aho hiezaka,
Koa tafio hery aho fa te ho eny aminao.

2. Lavitra akaiky ny eny aminao, Ray ô :
Mibaliaka hazavàna ny ao an-tanàna
Ka mambabo fo tokoa.
Ny manodidina anefa toa kitroka,
Haizim-be mitatao no ombàna mankao
Ka kivy sy ketraka.

3. Maro ireo efa nikasa toa ahy;
Firifiry izy ireny no mba te ho eny
Kanefa mihemotra
Sarotra mantsy ny lala-kombàna,
Sady tsy mahavita, mamoy itony hita
Ka minia milefitra.

Nampiditra tywa68
Fihirana Hasina p. 125
Fihirana Vaovao p. 6
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1644