Ny hiran'ny lanitra

1. Ny hiran'ny lanitra, tsara tokoa
sy mahafinaritra re !
Henoy izany feon'ny olona maro
'zay faly tokoa mihira hoe :

Feo I:
Aleloia, Amen ! Aleloia, Amen !
Aleloia, Amen ! Aleloia, Amen !

Feo II:
Ny dera aman-daza sy hery anie,
Ho anao, ry Zanak'ondry !
Ny dera aman-daza sy hery anie
Ho anao, anao, Amen !

2. Toy ny feon'ny rano mahery ny hira
ataon'ny tra-bonjy arý :
Manerana ny lanitra ny fideràny,
fa vita ny adidiny mafy taty.
Aleloia ... ! Ny dera aman-daza ...

3. Tsy mety mangina ny hiran'ny lanitra,
velona mandrakizay !
Endrey ny fihaonana any an-danitra
sy ny fiainana mandrakizay !
Aleloia ... ! Ny dera aman-daza ...

Nampiditra tywa68
Fihirana Hasina p. 129
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093