Miverena ianao, ô ry mpanota ô

Nampiditra: tywa68
Sokajy: Karemy, Fifonana,


  • Fihirana Vaovao p. "435
  • Fihirana Hasina p. "68
  • Vavaka sy Hira p. "513
  • Ankalazao ny Tompo p. "535
  • Fihirana Dera p. "247

Miverena ianao, ô ry mpanota ô,
Izaho ny fiainanao, izaho no lalanao,
Izaho Tomponao no fahamarinanao ;
Miverena ianao, fa izaho no miantso anao.

1. Tonga aho hanome fiainam-bao anao (miverena...)
Tsy ho faty ianao raha izaho no iainanao ;
Sitraky ny Ray ny hahavoavonjy anao, (miverena...)
Ho hafaliam-be ny fiverenanao.

2. Tonga aho ho anao, hanoro lalana, (miverena...)
Tsy ho very ianao raha toa manaraka ahy ;
Sitraky ny Ray ny hahavoavonjy anao,
Ho hafaliam-be ny fiverenanao.

3. Tonga aho hiaro anao, hisolovava anao, (miverena...)
Raha tia ahy ianao, tsy homelohina ;
Sitraky ny Ray ny hahavoavonjy anao,
Ho hafaliam-be ny fiverenanao.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0324 s.] - Hanohana anay