N'inon'inona hitranga, Jesoa

1 N'inon'inona hitranga, Jesoa,
 Na ny lanitra ho manga, Jesoa,
 Na ho maloka mangina, Jesoa,
 Dia ho feno fifaliana, Jesoa.
 
Ny fotoana dia handalo, Jesoa,
Fa tsy hisy hampimalo, Jesoa,
Raha miorina ao am-poko, Jesoa,
'Lay fitiavanao inoako, Jesoa.
 
2 Raha jereko ny andro lasa, Jesoa,
 Tao ny tsiky, tao ny ratra, Jesoa,
 Nefa ianao 'lay Mpampahery, Jesoa,
 No nambomba sy nijery, Jesoa.
 
3 Ny ho avy antenaiko, Jesoa,
 Mbola ho fifalian'ny saiko, Jesoa,
 Ny hasasarako hisava, Jesoa,
 Ny harivako hazava, Jesoa.

Nampiditra tywa68
Fihirana Hasina p. 353
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0689