Manomboka ety an-tany ny paradisa

Fiv : Manomboka ety an-tany e
Manomboka ety an-tany ny paradisa,
Raha isika olombelona e
Raha isika olombelona mifankatia.

1 - Ny Ray ao an-danitra ao, fitiavana tsisy fetra
Manolotra ny fitiavany e hiainantsika zanany e,
Hozarazaraintsika amin'ny olombelona.

2 - Jesoa Mpamonjy antsika dia efa nahafoy ny ainy
Ho tahaka ny nitiavany e no hitiavantsika e
Fa izy no loharanon'ny hasambarana.

3 - Ny Tompo Fanahy Masina no monina amintsika
Fa Izy no mankahery e handresy fitiavan-tena e
Hanompo sy hanaso ny mpiara-monina.

4 - Izany fiaraha-monina aorina amin'ny fitiavana :
Ho tahaka ny any an-danitra e ny fiainana ety an-tany e
Hiravoravoan'ny zanak'Andriamanitra.

Nampiditra pissoa
Sokajy Fiadanana
Fihirana Dera p. 58
Fihirana Hasina p. 126
Fihirana Vaovao p. 462
Vavaka sy Hira p. 544
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092