Miara-mizotra isika ho any Jerosalema vaovao

Miara-mizotra isika ho any
Jerosalema vaovao
Ka tsy hisara-mianakavy
Fa hifanatri-tava amin’ny Ray mandrakizay
. (Apok. 21, 24; 22, 4)

(Iz. 2, 2-5)

1.- Izao no ho tonga any am-parany any,
     Ny vohitra misy ny Tompontsika
     Dia hanerinerina ambony havoana,
     Ho sangan’ireo tendrombohitra avo.

2.- Hirohotra ho any ny firenena, 
     Hanao ranolava hifampitaona :
     “Andeha isika hiakatra ny tanàna,
     Fonenan’Andriamanitr’i Jakôba.

3.- Fa hanoro antsika ny lalany Izy
     Mba hizorantsika manaraka Azy,
     I Siôna manko no loharano 
     Ipoiran’ny Teniny sy ny Lalàny.”

4.- Ny Tompo hampihavana ny vahoaka
     Hitsara ireo adin’ny firenena ;
     Hovàna ny sabatra ho fangady,
     Ny lefona ho antsy fijinjana.

5.- Ho foana tokoa ny adim-pirenena,
     Hitsahatra koa ny fianarana ady.
     Tongava ianareo terak’i Jakôba
     Hatóny ny Fahazavan’ny Tompo.

6.- Hanatona hidera ny Ray isika,
     Fa Avo sy Masina indrindra Izy ;
     Nambarany antsika ny sitrapony,
     Ho masina tsy hanan-tsiny isika.

Nampiditra admin
Sokajy Fidirana
Ankalazao ny Tompo p. 188
Fihirana Dera p. 229
Fihirana Hasina p. 279
Fihirana Vaovao p. 434
Vavaka sy Hira p. 396
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093