Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony

1- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
    'Reo zanany enjehina, hidina an-tranomaizina :
    Anaovana herisetra sy verezin-jo tanteraka ;
    'Reo zanany mioitra miantsoantso rariny :
    Giazana fatorana... fa mendrika famaizana !
    Fantatry ny Ray !

Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak'Andriamanitra
ho very maina foana 'zao fahoriana izao... !

2- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
    'Reo zanany madinika mitrongy vao mba homana :
    Tolorana ambim-bava ireo ho tamby fampanginana ;
    'Reo zanany fitahina amy lainga tsara lahatra :
    Tiavina, tiavina ho tohatra fiakarana !
    Fantatry ny Ray !

Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak'Andriamanitra
ho very maina foana 'zao fahoriana izao... !

3- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
    'Reo zanany ialonana, fofoina sy somparana :
    Azera raha mijoro, finganina raha miarina ;
    'Reo zanany roràna, ka esoina raha miezaka :
    Kanefa dia latsaina raha kivy fo tanteraka !
    Fantatry ny Ray !

Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak'Andriamanitra
ho very maina foana 'zao fahoriana izao... !

4- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
    'Reo zanany tomany fa nidonam-pahoriana :
    Milofika irery tsy mba manan-kianteherana ;
    'Reo zanany nanota, ka ihohofana torahina :
    Tondroina hoe voaozona, tsy mendrika ho velona !
    Fantatry ny Ray !

Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak'Andriamanitra
ho very maina foana 'zao fahoriana izao... !

Nampiditra Bariry
Sokajy Fidirana
Ankalazao ny Tompo p. 214
Fihirana Hasina p. 94
Fihirana Vaovao p. 177
Vavaka sy Hira p. 537
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0255