Zovy no afaka hilaza fa nahita an'Andriamanitra ?

Zovy no afaka hilaza fa nahita an'Andriamanitra ?
Iza no efa nihaona tamin'ny Tompo ka nibanjina ny tavany?
Raha mifankatia anefa isika mianakavy dia ho sambatra !
fa monina eto anivontsika anie Andriamanitra Ray e! (Jn. 4, 12)

1- Ray ô, tsy miafina aminao ireny adim-piainana
atrehina isan'andro !
Isaoranay Ianao fa mifankatia izahay,
ka afa-mifanohana :
miombom-pifaliana, miombom-pijaliana ;
matoky manana Anao izahay, ry Ray ô,
satria miara-monina aminay tokoa Ianao

2- Ray ô, tsy miafina aminao ireny tonombavaka
asandratra isan'andro !
Isaoranay Ianao fa mifankatia izahay
ka afa-mira-mientana :
Manandram-pihobiana, mangata-pitahiana ;
matoky manana Anao izahay, ry Ray ô,
satria miombona ezaka aminay ny Zanakao.

3- Ray ô, tsy miafina aminao ireny fiezahana
iarahana isan'andro !
Isaoranay Ianao fa mifankatia izahay
hijoro hanao ny marina :
miroso an-kasahiana fa feno fitokiana,
matoky manana Anao izahay, ry Ray ô,
satria momba anay hatrany ilay Fanahinao.

Nampiditra Bariry
Sokajy Fidirana
Ankalazao ny Tompo p. 226
Fihirana Hasina p. 107
Fihirana Vaovao p. 159
Vavaka sy Hira p. 543
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093