Indro aho hanangana Mpiandy tokana

Indro aho hanangana Mpiandry tokana
ho an'ny ondriko.
Izy ihany no hitondra ka hampiadana azy
Izy ihany no hitondra ka hampiadana azy

Sal. 15 (16)

1. Izy Tompo no Mpiandry
Izaho kosa ondry fiandriny tsy mba orin'inona na inona,
Ary vilo-maitso hatrany no ampialany sasatra ahy.

2. Moron-drano mahatony
no itondrany ahy hatrany,
mahavelom-bolo erý,

Ary lalam-pahamarianana no itarihany ny diako
Ho voninahitry ny Anarany!
Ary lalam-pahamarinana no itarihany ny diako
Ho voninahitry ny Anarany!

3. Raha mandalo lohasaha,
Lohasaha mahafaty, dia tsy misy atahorako,
Fa eo Ianao aman-tehina sy kibay miaro ahy.

4. Ny fahavalo manoloana,
Izaho rosoanao sakafo, ary indro manosotra

Diloilo izany lohako, ka safomorona ny zingako;
Heni-kasambarana aho.
Diloilo izany lohako, ka safomorona ny zingako;
Heni-kasambarana aho.

5. Indrafo sy hasambarana
No mambomba ny androm-piainako; ao an-tranon'Izy Tompo
No honenako hatrany amin'ny androko rehetra.

6. Ho an'ny Ray Tompontsika,
tompontsika ondry tiany; ho an'ny Zanaka Mpiandry;

Ho an'Ilay Fanahy Masina mpizarazara rano velona
Voninahitra sy dera!
Ho an'Ilay Fanahy Masina mpizarazara rano velona
Voninahitra sy dera!

Nampiditra Bariry
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 521
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092