Mankalaza e mankalaza

(Lio.  1, 46-55)

Mankalaza e mankalaza, mankalaza Anao ry Tompo,
ny foko, sy ny fanahiko, Andriamanitra ô ;
falifaly e falifaly, falifaly ao aminao
ny foko, ny fanahiko, ry Mpamonjy ahy.

1- Na bitika aza aho, na tsinontsinona
notiavinao aho mpanomponao ;
taranaka mifandimby no indro hidera ahy hoe sambatra,
fa soa lehibe tokoa no nataon'Izy Tompo ho ahy :
ny Masina no anarany.

2- Fa tsofiny rano ny taranaka,
taranaka amam-para matahotra azy ;
ny heriny dia nampariny handrava ireny mpiavonavona,
naongany fahefana ireo nalaza ho miezinezina :
ny bitika no nasandrany.

3- Ny noana fenoiny zava-tsoa,
ny mpanan-karena dia noroahiny ;
navotany ilay vahoaka voafidy efa nekeny hotiavina,
tsarovany lalandava ny dina tamin'ny razantsika :
hotiaviny omban-taranaka.

Nampiditra Bariry
Ankalazao ny Tompo p. 398
Fihirana Dera p. 210
Fihirana Hasina p. 286
Fihirana Vaovao p. 302
Vavaka sy Hira p. 424
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087