Masina Maria ô, Renin'Andriamanitra

1. Masina Maria ô,
Renin’Andriamanitra
Itehirizo fo madio aho
Toy ny loharano tsy misy tsingala,
tsy misy tsingala

2. Masina Maria ô,
Renin’Andriamanitra
Fo tsotra omena ahy
Tsy hikombona amin’ny dona mandratra,
ny dona mandratra

3. Masina Maria ô,
Renin’Andriamanitra
Fo miantra no angatahiko
Tsy mivadika, tsy sasa-mizara ô,
tsy sasa-mizara.

4. Masina Maria ô,
Renin’Andriamanitra
Fo mahay mankasitraka
Tsy mitana an-dolom-po ny amin’ny ratsy, 
ny amin’ny ratsy

5. Masina Maria ô,
Renin’Andriamanitra
Mba omeo hamoram-po aho
Hietry tena hatrany na misy mpitia,
na tsisy mpitia

6. Masina Maria ô,
Renin’Andriamanitra
Mba ho fo tsy mora tofoka
Fa hisokatra amin’izay mankahala,
izay mankahala!

Nampiditra ari.malala
Sokajy Masina Maria
Ankalazao ny Tompo p. 528
Fihirana Dera p. 272
Fihirana Hasina p. 350
Fihirana Vaovao p. 291
Vavaka sy Hira p. 795
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097