Reny mpitari-dalana ô, ry Masina Maria

Reny mpitari-dalana ô, ry Masina Maria
Ô ry kintana ambony e, tantano ny dianay

Fa ny fiainanay e, dia toy ny lalan-tery
Miakatra an-danitra any, hitody amin’ny Ray

Fa ‘zahay tanora e, mikasa ho zanakao e
Indrisy be fahavalo mitady hisompatra anay

Ny fianaranay e, ampio ho tody soa e
Hahafahanay mampivoatra ny tanindrazanay

Ka ny hoavinay e, ilay anjara koa e
Iezahanay isan'andro, ankininay aminao

Raha maniasia e ! antsoy fa zanakao e
Ho toy 'lay zaza mpandany hiverina an-tranon-dRay

Nampiditra ari.malala
Sokajy Masina Maria
Fihirana Dera p. 136
Fihirana Hasina p. 84
Fihirana Vaovao p. 319
Vavaka sy Hira p. 809
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009