Ataovy mikatsaka Anao lalandava ny lalam-piainako

Ataovy mikatsaka Anao lalandava ny lalam-piainako
Isan'andro isan’ora eran’ny fahosako sy ny fahoriako
Ataovy mikatsaka ny endrikao aho hahita ny miafina
Na inon-kitranga na inon-kidona na iza hisakana

Ianao re ry Tompo ô, Ianao irery ihany
Ilay tokan-Tsitoha maharitra mandrakizay
Kaloiko ho Anao hira tokana an-tany
Ianao ilay tsy miova ary tsy mba mivadika

Ny masoko hibanjina ny endrikao zahako isan'andro
Mitara-pitiavana sy famelana miantefa ao anatiko
Ianao miantso ahy tsy sasa-miangavy fa tia ny talahoko
Ianao ilay tadiaviko sy iafarako Ianao eto anilako

Nampiditra ari.malala
Ankalazao ny Tompo p. 532
Fihirana Dera p. 294
Fihirana Hasina p. 17
Fihirana Hasina p. 531
Vavaka sy Hira p. 526
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0388