Ta.Li.Fa miara-misalahy

Hira fanevan'ny Tanora mpanentana ny Litorjia Faravohitra
1-Tompo ô fantatrao fa tiako ianao
Koa manolo-tena aho ho fanati-tsirakao
Ary manaiky hiezaka, ho olom-baovao
Ta.Li.Fa ho fanasina
Ho an'izao tontolo izao
Ry tanora namako ô, 'ndeha hiaraka aminay
Ka hivondrona ho iray, toy ny mpirahalahy
Ta.Li.Fa miara-misalahy
Koa endrey izany hafaliana
Fa tanteraka ny faniriana
Ary vonona tokoa, hanolo-tena
Ka hanaja ilay fifanekena
2- Tompo ô fantatrao fa tianao 'zahay
Ampio mba tsy hisaraka fa ianao no mampiray
Tsy andrarak'ilo mby an-doha, f'hitafy toetra vao
Ta.Li.Fa ho fanilo
Ho an'izao tontolo izao
Nampiditra sonwin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092