Nifidy ahy ny Tompo

Nifidy ahy ny Tompo hitondra famonjena
Ny vaovao mahafaly hambara eran-tany

Reko ny Fanahy mibitsika hoe:
'Reto misy olona atokàny mba ho ahy,
Tiako sy tendreko hamonjy ny ory:
Aoka izy ireo ho vonona handeha

Nanokana ahy ny Tompo ho mpiara-miasa aminy
Ho olona amborahany 'reo tsiambaratelony

Naniraka ahy ny Tompo, nanafatra ahy hoe:
Ataovy tonga mpianatro ny olona rehetra.

Nampiditra ari.malala
Ankalazao ny Tompo p. 196
Fihirana Dera p. 240
Fihirana Hasina p. 117
Fihirana Vaovao p. 104
Vavaka sy Hira p. 522
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0088