EKA miara-dia

1- EKA miara-dia,
EKA mifankatia
EKA entanin’ny Tompo
Ny fiainanay tontolo

Ekipa Kristianina Ankehitriny:
Endrik’i Kristy ankehitriny,
Eny amin’i Kristy ankehitriny,
Feno an’i Kristy ankehitriny.

2- Ny fiainany tontolo
Iarahany amin’ny Tompo
Mba hahaizany mihaino
‘Lay teny tonga nofo

3- Ny fiainan’izy ireo
Eokaristia isan’andro;
Ny hazofijaliana
No satam-pifaliana.

4- Ny fiainan’izy ireo
Fahaizana mihaino:
Mihaino ny madinika,
Mihaino ny tontolo.

Nampiditra sonwin
Fihirana Hasina p. 322
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1094