Ny feon'ny fitiavana

Injany fa miantso ahy, ny feon'ny fitiavana
Manohina ny fiainako, ka tsy azoko andosirana
Mahery vaika mantsy ka tsy azoko ampanginina ary tsy azoko andosirana
Ilay feon'ny Fitiavana maniraka ny Zanany ho fiainana arahina

Ka raisiko ny anjarako, hizorako ny lalako (in-2).

1- Mba tsofy rano tsara re ry Dada sy ry Neny
'ty zanaka hiainga mba hanefa ireo adidy
any ho any kosa hahatsiaro anareo aho, handefa tonom-bavaka
Mba tsofy rano tsara re, 'ty mpivahiny 'ty e )
fa lavitra ny lalana ka mila ny tsodrano aho hanambina ny diako ) in-2

2- Mba tsofy rano tsara re ry Zoky sy ry Zandry
'ty havana hiainga mba hanefa ireo adidy
any ho any kosa hahatsiaro anareo aho, handefa tonombavaka
Mba tsofy rano tsara re, 'ty mpivahiny 'ty e )
fa lavitra ny lalana ka mila ny tso-drano aho hanambina ny diako ) in-2
 


Nampiditra sonwin
Fihirana Hasina p. 595
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0373