Ato amiko ny fanahy, fanahin'ny Tompo

1. Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin'ny Tompo,
Fa nanosotra hitory vaovao mahafaly
Amin'ny malahelo sy naniraka ahy
Hankahery izay torotoro fo.

Ampio aho, tantano am-pitiavana aho, Jesoa o.
Fa raha ny heriko ihany dia ho kivy an-dalana aho
Hanatontosa ny irakao no mamiko
Fa omaly, anio ary mandrakizay
Tsy miova ianao, Jesoa o.

2. Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin'ny Tompo,
Hitoriako fahafahana amin'ireo izay voafatotra
Fahiratana ho an'ny jamba ary koa fahafahana
Amin'ireo izay ampahoriana

3. Ato amiko ny Fanahy, ny Fanahin'ny Tompo,
Mba hampionona izay tra-pahoriana rehetra
Ao anatin'ny fanompoana sy fandavan-tena
Am-pitiavana hatramin'ny farany

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 413
Karine Dera p. 423
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716