Ry Fanahy nomena anay

Fiv : Ry Fanahy nomena anay,
mampiray ny tenanay
amin'ny ain'i Kristy.

1- Ny asanao no ahalalana
fa i Jesoa Tomponay
Nietry tena hanompo anay
dia Andriamanitra tokoa.

2- Noho ianao nomena anay re :
tonga zanaka izahay;
'zao Ianao fanahinay
mampifankatia anay.

3- Herinao no mampandre
ny eo anivom-pijaliana
hafaliana latsa-paka
'zay manentana hitraka.

4- Bitsikao no manazava
'Zay miseho amy fiainanay
ka ahafahanay mandray
'zay lazain'i Jesoa anay

5- Aminao no loharano
isotroanay dieny izao
haravoana sy hafaliana
santatr'ilay any aoriana

Nampiditra admin
Sokajy Fanahy Masina
Ankalazao ny Tompo p. 168
Fihirana Dera p. 186
Fihirana Hasina p. 53
Fihirana Vaovao p. 442
Vavaka sy Hira p. 506
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1721