Avia, ry Fanahy Masina ô, arotsahy re avy any an-danitra

Fiv : Avia, ry Fanahy Masina ô,
Arotsahy re avy any an-danitra
Ny tsirim-pahazavanao.

 
1 - Avia re, ry Rain'ny malahelo,
Mpizarazara fanomezan-tsoa ;
Avia re, Mpisolo vava anay.
 
2 - Avia, ry Mpanafaka alahelo
Fa maminay e ny honenanao ;
Avia re, Mpamelombelona o.
 
3 - Fiadananay raha sendra ka mijaly,
Fialofanay raha sendra maina andro :
Avia re, Mpanambitamby anay.
 
4 - Fenoy ny tsirim-pahazavanao
Ny fon'izay rehetra mino Anao ;
Avia re, ry Hasambaranay.
 
5 - 'Zahay anie raha sendra ilaozanao,
Dia zava-poana, feno fahotana ;
Avia re, ry Mpankahery anay.
 
6 - Diovy re ny fo 'zay feno ota,
Ka tsofy rano tsy ho karankaina ;
Avia re, sitrano ny fonay.
 
7 - Lefaho re ny olona maditra,
Ny matimaty ovao ho maimay ;
Avia re, Mpanitsy dia anay.
 
8 - Ireny fanomezanao fito :
Omeo anay vahoaka mino Anao ;
Avia re, matoky Anao zahay.
 
9 - Omeo anay ny hatsaram-panahy,
Ny famonjena nony miala ety :
Omeo anay ny hasambaranao.

Nampiditra pissoa
Sokajy Fanahy Masina
Fihirana Dera p. 121
Fihirana Hasina p. 48
Fihirana Vaovao p. 155
Vavaka sy Hira p. 495
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1368