Diovy aho, Tompo ô, sasao madio ny tenako

1. Diovy aho, Tompo ô, sasao madio ny tenako :
 Esory lavitra ny foko ny ota tena halanao, 
 Fa ny zavatra kendreko sy iriko lalandava : 
 Ny hiray fo aminao, ry Jesoa, anio sy mandrakizay. 

 2. Diovy aho, Tompo ô, handraisako ny Tenanao 
 Anatin'ny Eokaristia, mistery inoanay tokoa : 
 Dia ny Vatanao, ry Jesoa, ho sakafon'ny fanahiko ; 
 Ary koa ny Rànao masina mpanadio ny tenako. 

 3. Diovy aho, Tompo ô, hananako ny zara soa : 
 Ho mpandova ny harena masina nampanantenainao anay, 
 Dia 'lay paradisa maminay, tany feno hasambaram-be 
 Hahitan'ny masonay ny Ray hoderainay mandrakizay.
 

Nampiditra tywa68
Sokajy Fifonana - Komonio
Fihirana Dera p. 96
Fihirana Hasina p. 431
Fihirana Vaovao p. 380
Vavaka sy Hira p. 749
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0931