Reo andro sisa

 

1. 'Reo andro sisa mbola ho avy, Tompo ô

Hifonako aminao, fa misy heloka.

Ny fahotako, ny hadalako, Tompo ô

E sambatra sy tretrika, noho ianao.

 

2. Ny fahoriako, ny hakiviako, Tompo ô,

Soloinao fo mendrika ho anao.

Fa mahonena, mitaraina, Tompo ô,

Koa mba tantano sy vimbino izahay.

 

3. O mba omeo fo matoky, Tompo ô,

Ireto ondry very fa nania.

fa mahonena mitaraina, Tompo ô,

Koa mba ekeo, tantano sy vimbino izahay.

Nampiditra tywa68
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1081