Izay - 'Zay manolotra an-kafaliana no sitrak'Andriamanitra

'Zay manolotra an-kafaliana no sitrak'Andriamanitra (2)

(Lk. 2, 29-32) 

1 Eny, Tompo,
 Am-piadanana tokoa ankehitriny
 Andefasanao ity mpanomponao:
 Dia ho to 'zay voalazanao.
 
2 Fa satria:
 'Zany masoko nahita miharihary
 'Zato famonjena 'zay nomaninao
 Ho an'ireo firenen-drehetra.
 
3 Hazavana
''Zay hanilo ny vahoaka eran-tany
 Fa kiady kosa sady reharehan'i
 Israely vahoakanao.
 
4 Eny, Tompo,
 Mendri-dera ny fitiavanao anay
 Fa nirahinao ho anay ny Zanakao
 Hampiadana anay rehetra.

Nampiditra Bariry
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 258
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0554