Ento ny jiogako, mianara amiko

Sas :
Ento ny jiogako, mianara, mianara amiko,
Fa malemy fanahy aho, ka hahita fiadanana ianao.
(Mt. 11, 29)

(Sal. 130)
 
1 - Tsy mba miavona ny foko, ô ry Tompo ô,
Ka ny masoko mijery tsy mianjona !
Ireo zavatra vaventy tsy enjehiko,
Ireo avo tsy sahaza halaviriko !
 
2 - Afa-diana ny fanahiko : mamitsaka,
Toy ny zaza afa-po an-tratran-dreniny !
Matokia ny Tomponao, ô ry Jakoba ô,
Hatrizao sy amy taona tsisy fetrany !
 
3 - Ô ry Ray, Ianao mpiahy ny madinika,
Ô ry Zanaka mpitondra fahafahana !
Ry Fanahy, loharanom-piadanana,
Ny fanahiko no miantsa : Voninahitra !

Nampiditra pissoa
Sokajy Karemy - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 205
Fihirana Dera p. 225
Fihirana Hasina p. 263
Fihirana Vaovao p. 166
Vavaka sy Hira p. 365
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093