I Kristy no naharian'Andriamanitra an'izao rehetra izao

Sas :
I Kristy no naharian'Andriamanitra an'izao rehetra izao :
I Kristy no itsimbinan'Andriamanitra an'izao rehetra izao ;
I Kristy no hamondronan'Andriamanitra an'izao rehetra izao,
rehefa feno ny fotoana.
(Kol. 1, 16. 17. 20)

(Sal. 148)
 
1 - Miderà ny Tompo ianareo 'zay any an-danitra any,
Miderà ny Tompo ianareo rehetra monina any,
Miderà ny Tompo ianareo anjeliny rehetra,
Miderà ny Tompo ianareo, ry tafiny rehetra.
 
2 - Miderà ny Tompo, ô ry volana omba-masoandro,
Miderà ny Tompo ianareo, ry kintana mazava ;
Miderà ny Tompo ianareo, ry lanitra avo indrindra,
Miderà ny Tompo ianareo ry rano mitatao.
 
3 - Aoka ireo hidera ny Anara-masin'Izy Tompo,
Fa tsy nisy ireo raha tsy didy avy Aminy tokoa :
Izy Tompo ihany no nametraka azy tsy hiova,
Ka nametra izany ho lalàna mafy tsy dikaina.

4 - Miderà ny Tompo ianareo, ry mponina eran-tany a,
Miderà ny Tompo ianareo, ry hady ny fanano,
Ianareo, ry afo sy havandra, zavona, fanala,
Ry tafiotra, rivotra, mpanoa ny tenin'Izy Tompo.

5 - Ianareo havoana sesehena,vohitra rehetra,
Ry sedera avo, ianareo, ry hazo 'zay mamoa,
Ianareo rehetra, ô ry bibidia sy fiompy,
Ianareo 'zay manidina ary izay mandady.

6 - Ianareo mpanjaka, ianareo vahoaka ts'hita isa,
Ianareo andriana, ianareo mpitsara ny tontolo,
Ianareo zatovo tsy ankanavaka eran-tany,
Ianareo ankizy sy ny zokiolona rehetra.
 
7 - Aoka ireo hidera ny Anara-masin'Izy Tompo,
Fa ny Anara-masiny no avo hany mendri-kaja,
Ka ny fiamboniany avo noho ny lanitra sy tany,
'Reo mpanompo Azy faly mankalaza sy midera.
 
8 - Ts'iza izany akory fa ny firenena Israely,
'Lay vahoaka tiany, nolalaina hatrany, aleloia !
Zanakao, ry Ray, no miantso anay mba hidera,
Ny Fanahinao izay nomeny anay, momba anay.

Nampiditra pissoa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 175
Fihirana Dera p. 236
Fihirana Hasina p. 270
Fihirana Vaovao p. 214
Vavaka sy Hira p. 383
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094