Tsara ny mankalaza Anao, ry Iaveh

Fiv :
Tsara ny mankalaza Anao ry Iaveh, ry Avo Indrindra
Sy midera ny Anaranao sy mitory ny hatsaram-ponao
Ary ny tsy fivadihanao nony alina, nony maraina
Amin'ny lokanga, ny harpa sy ny valiha.

(Sal. 90)
 
1 - Mahafaly ahy ny asanao ry Iaveh - Aleloia
Ary mientana manoloana ny asan-tananao - Aleloia
Akory ity halehiben'ny asanao, ry Iaveh - Aleloia
Akory izany halalin'ny fisainanao.
 
2 - Ny olona adala tsy mahalala izany sy izany - ...
Tsy mahita mangirana re 'zany sainy - ...
Raha mirobona toa ahi-dratsy ny ratsy - ...
Dia mandroso haringana mandrakizay.
 
3 - Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko - ...
Ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy - ...
Ny marina hitombo sahala amin'ireo rofia - ...
Hisondrotra tahaka ny sedera any Libàna.
 
4 - Ka voninahitra ho an'ny Ray sy ny Zanaka - ...
Ary koa ho an'ny Fanahy Masina avy Aminy - ...
Tahaka ny taloha sy ankehitriny - ...
Ary mandrakizay ! Aleloia ! Amen.

Nampiditra pissoa
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 46
Fihirana Hasina p. 232
Fihirana Vaovao p. 398
Vavaka sy Hira p. 322
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093