Ianareo mpianatro no fahazavan'izao tontolo izao

Sas :
Ianareo mpianatro no fahazavan'izao tontolo izao e,
Ianareo mpianatro no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo.  (Mt. 5, 14)

(Sal. 18a)

1 - Ny lazan'ny Tompo ambaran'ny lanitra,
Ny asany kosa torìn'ny habakabaka ;
Ny andro milaza amin'ny andro manaraka,
Ny alina indray mitantara amin'ny alina.
 
2 - Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
Tsy feo mba manako horenesin'ny sofina :
Kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony,
Miely tsy tana ny hafatra entiny.
 
3 - Jereo ny masoandro nomeny hilasiana,
Dia ny ranomasina izay midadasika ;
Ka nony miseho izy toy ny mpampakatra,
Mifaly toa olom-pandresy eny an-dalany.
 
4 - Ka ny iandohany dia any atsinanana,
Fa ny hilentehany kosa any andrefana ;
Dia indro henika azy ny tany aman-danitra
Ka samy mandray ny hafanana apariakany.
 
5 - Andeha isika hisaotra ny Tompon'ny lanitra,
Ny Ray izay nanao ny masoandro amy toerany,
Ny Zanaka izay masoandro nirahiny
Hanilo an'ireo izay mandray ny Fanahiny.

Nampiditra pissoa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 100
Fihirana Dera p. 188
Fihirana Hasina p. 203
Fihirana Vaovao p. 153
Vavaka sy Hira p. 257
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093