Izao no hiseho rehefa any am-parany any (Salamo 95)

Sas :
Izao no hiseho rehefa any am-parany any :
Horesen'i Kristy ny hery rehetra
Ka hatolony an-dRainy ny fanjakana. 
(1 Kor. 15, 24)

(Sal. 95B) 
1 - Ikaloy 'reo hira vaovao
Ho an'ny Tomponao, ry manan'aina,
Ny fisaorana aoka hanakoako !
    Isan'andro vaky dia torio,
    'Tony vonjy nentiny lazao,
    Mba handre daholo ny eran-tany !

2 - Fa ny Tompo ihany no ambony,
Mahatahotra Izy noh'ny hafa
Ka variana ery ny firenena !
    Tsinontsinona avokoa, rey lahy,
    Ny andriamani-kafa tsy miteny
    F'Izy irery no masi-mandidy !

3 - N'habakaba-manga dia nataony
Ka ny lapa masiny tazano
Fa mitemitra 'lay fahefany !
    Ka omeo ny Tompo, rey vahoaka,
    'Tony hasina sy fahefana
    Mbamy 'reo anaram-panajana !

4 - Ny fanatitrao 'ndeha atolory
Ka ny Tompo masina iankohofy
Fa ny tavany e dia mahajemby !
    Ny tontolo aoka hihararetra
    Fa hilaza dinika ny Tompo
    Ho toriny amy firenena !

5 - He ny Tompo irery no Mpanjaka
'Tony tany : vitany mijoro,
'Zany rariny entiny mitsara !
    Mifalia, ry lanitra sy tany,
    Aoka hidobodoboka ny riaka
    Ka hifaliavanja 'zany saha !

6 - Mandihiza ianao, ry hazo an'ala,
Anoloan'ny Tompo: indro izy
Mba hitsara 'zao tontolo izao.
    'Tony tany itony hozakainy,
    Ny ambanilanitra hotsarainy,
    Hilazany "marina" hatrany.

7 - Koa redony hatrany, rey vahoaka,
'Zany antsa hobin-kafaliana,
Ho an'ny Ray Tompom-pahefana.
    Ka ny fihobiana ombàna haja
    Ho an'ilay nandray ny fanjakana,
    Nanome Fanahy ho herintsika.

Nampiditra pissoa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 189
Fihirana Dera p. 224
Fihirana Hasina p. 236
Fihirana Vaovao p. 455
Vavaka sy Hira p. 327
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089