Tsy misy afaka hanompo tompo roa (Salamo 48A)

Sas :
Tsy misy afaka hanompo tompo roa
Dia Andriamanitra sy ny vola ;
Tsy misy afaka hanompo tompo roa
Dia Andriamanitra sy ny harena.
(Mt. 6, 24)

(Sal. 48)
 
1 - Ry olon-drehetra, samia mba mihaino,
Henoy re, ry mponin'ny tany tontolo
Na olona tsotra na olona ambony,
Na manankarena na ny malahelo.
 
2 - Fa anatra soa no ambarako anao
Dia teny miloatra avy amin'ny foko :
Henoy ny hain-teny hilazako azy anao,
Valiha no hiritsoka izany aminao.
 
3 - Nahoana aho moa no hatahotra loza,
Hihevitra hoe tsy ho tafarina intsony ;
Ireo fahavaloko mirehareha
Fa manana ka manontany ny ory.
 
4 - F'angaha misy olona mahavo-tena
Na hoe afa-mahaloa tamby amy Tompo :
Satria lafo loatra tokoa ny avotr'aina,
Tsy voavidim-bola na oviana na oviana.

5 - Ahoana àry no hahavelomany hatrany,
Ka hoe tsy hahafaty azy mandrakizay?
Jereo fa na dia  ny olon-kendry aza maty,
Ireo tsy ampy saina dia torak'izany.

6 - Ny haren'izy ireny nankaiza avokoa?
Tsy maintsy navelany ho lovan'ny hafa;
naniry izy honina mandrakizay,
Kinanjo ny anarany sisa tavela.

7 - Isaory àry ilay Andriamanitra Tompo,
Ny Zanany efa nandray Fanjakana,
Fanahiny kosa hanamasina antsika :
Ho mendrika hanompo Azy marina isika.

Nampiditra pissoa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 116
Fihirana Dera p. 223
Fihirana Hasina p. 211
Fihirana Vaovao p. 460
Vavaka sy Hira p. 286
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009