Raha tsy miaritra ny fahoriana isika (Salamo 114)

Sas : Raha tsy miaritra ny fahoriana isika,
Dia tsy hiditra ny fanjakan'Andriamanitra. (Asa 14, 21)

(Sal. 114)

1 - Tiako ny Tompo satria
Nihaino ny antsoko nihanta Taminy !
Tiako ny Tompo satria
Tsy mba nanentsin-tadîny
Tamin'ny andro rehetra niantsoako ny vonjiny,
Tiako ê ny Tompo.

2 - Saron'ny haizina ny aiko,
Latsaka am-bovon'ny fahafatesana !
Tojo an'ireo fahoriana,
Velona ny tebiteby :
Indro aho nitady ny Tompo niantso ny Anarany,
Tiako ê ny Tompo.

3 - Tompo ô, vonjeo re 'ty zaho !
Ny Tompo miantra sy tena marina :
Izy mangoraka antsika,
Aron'ireo olon-tsotra :
Fony aho nalemy dia indro fa nohatanjahiny.
Tiako ê ny Tompo.

4 - Aoka hatoky, ry Aiko,
F'ianao tian'ny Tompo ka he hasoaviny !
Izy manafaka anao, velona tsy mba ho faty :
Tsy mba tomany na mifendrofendro ny masoko,
Tiako ê ny Tompo.

5 - Entiny aho mba hamindra,
Tsy ho tafintohina eo anatrehany,
Roso fa velona indray ! Tiako Andriamanitra Raiko :
Zanany namonjy ahy, nanome ny Fanahiny,
Tiako ê ny Tompo.

Nampiditra pissoa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 155
Fihirana Dera p. 231
Fihirana Hasina p. 336
Fihirana Vaovao p. 268
Vavaka sy Hira p. 344
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0879