Tsarovy, ry Iaveh, ilay fanekena nataonao fahiny tamin'ny vahoakanao

(Sal. 74)

Fiv:   Tsarovy, ry Iaveh, ilay fanekena
Nataonao fahiny tamin'ny vahoakanao. 


 1. Ry Andriamanitra ô
Nahoana no nanary anay
Ianao mandrakizay ? 

 2. Nahoana no mirehitra
Amin'ny ondrinao
Ny hatezeranao ? 

 3. Ity vahoakanao
Tsarovy fa navotanao
Ho foko lovanao. 

 4. Tsarovy, ry Iaveh,
Siôna tendrombohitrao
Izay fonenanao. 

 5. Ka aza hadinoina
Ny ain'ireo mahantranao
Ho mandrakizay. 

 6. Nahoana, ry Iaveh
No atosikao lalandava
Izahay olonao ?

 7. Ka voninahitra
Ho an'ny Ray tsitoha
Izay nahary antsika. 

 8. Ho an'ilay Zanaka
Sy ny Fanahy Masina
Ho mandrakizay.

Nampiditra tywa68
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 50
Fihirana Hasina p. 219
Fihirana Vaovao p. 200
Vavaka sy Hira p. 302
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009