Nantsoin'ny Ray hivory amin'ny anaranao izahay

1. Nantsoin'ny Ray hivory amin'ny anaranao izahay, ry Jesoa ô,
Ka mahatsiaro tena ho mpanota eto anatrehanao.
Tompo ô, mamindrà fo aminay.
Tompo ô, mamindrà fo aminay.

2. Diovy ny fo amam-panahinay, ry Jesoa ô,
mba hahafahanay mihaino Anao eto afovoan'ny Eglizy.
Krsity ô mamindrà fo aminay.
Kristy ô, mamindrà fo aminay.

3. Alao ny sampona misakana anay tsy hihavana,
ka arotsahy aminay ny Fanahinao mampiray.
Tompo ô, mamindrà fo aminay.
Tompo ô, mamindrà fo aminay.
 
Nampiditra ari.malala
Sokajy Fifonana
Fihirana Vaovao p. 7
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093