Derao ny Tompo any an-tampon'ny lanitra

(Sal. 148)

Fiv:
Derao ny Tompo any an-tampon'ny lanitra,  
Hobio ny anarany any ambony any, 

Anjely rehetra sy olomasina, 
Masoandro amam-bolana sy kinta-mamiratra ô, 
Derao ny Tompo, fa be voninahitra. (indroa) 

1. Ry lanitra ny lanitra, derao i Iaveh, 
 Ry rano eny an-danitra, derao i Iaveh, 
 Fa teny indraim-bavany nampisy anareo, 
 Lalàna nosoratany tsy azo dikaina. 

 2. Ry vorona manidina, derao i Iaveh, 
 Ry trondron-dranomasina, derao i Iaveh, 
 Ry afo midorehitra, derao i Iaveh,
 Havandra indray miraraka sy oram-panala. 

3. Ry vohitra sy zavona, derao i Iaveh, 
 Havoana mavamavana, derao i Iaveh, 
 Ry hazo feno voany, derao i Iaveh, 
 Ry zava-manana aina sy vorona an'ala. 

 4. Mpanjaka sy vahoaka, derao i Iaveh, 
 Mpitondra sy mpanapaka, derao i Iaveh, 
 Ry zaza sy ny antitra, derao i Iaveh,
 Tanora tovolahy sy tovovavy.

Nampiditra tywa68
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 93
Fihirana Hasina p. 270
Fihirana Vaovao p. 295
Vavaka sy Hira p. 382
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097