Mamiko indrindra Ianao, ry Tompo ô

Fiv :
Mamiko indrindra Ianao, ry Tompo ô
Fa Ianao no fialofako
Novonjenao ka afaka tokoa
Tamin'ny fatorako.

 (Sal. 17)

1- Andriamanitra mahery Ianao ka matoky Anao 'zahay:
Anao ny fiderana masina
Ka dia natokako ho Anao, ry Tompo.
 
2- Andriamanitra mahery Ianao ka matoky Anao 'zahay:
Anao ny lanitra, Anao ny tany
Ka mendrika hiderana Anao, ry Tompo.

3- Andriamanitra mahery Ianao ka matoky Anao 'zahay:
Ny sandrinao mahery Tompo ô
Ka iankinako tokoa, ry Tompo.

Nampiditra Bariry
Sokajy Salamo
Fihirana Dera p. 66
Fihirana Hasina p. 22
Fihirana Vaovao p. 404
Vavaka sy Hira p. 257
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009