Fo madio no iriko, Andriamanitra ô, hanarahako ny lalanao

(Sal. 62)

1. Fo madio no iriko, Andriamanitra ô,  
    Hanarahako ny lalanao : 
    Tanteraho amin'ny mpanomponao 
    'Zay sitrakao. 
 
Fiv: Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, 
 Vao maraina no maniry anao ê ; 
 Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, 
 Ny fanahiko manina anao ê ; 
 Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, 
 Matimaty aminao e ny nofoko,
Andriamanitra ô, Andriamanitra ô. 
 
2. Ifonako aminao avokoa 
    Ireny ota nitiavako ny tenako : 
    Aza afenina ahy, Tompo, ny endrikao,
    Tompo be fitia. 

3. Ampanirio ao am-poko ny fitiavana 
    Hanamasina ny androko rehetra ;
    Ka hiova ho voninahitrao 
    Ny asako rehetra.

Nampiditra tywa68
Fihirana Dera p. 48
Fihirana Hasina p. 20
Fihirana Vaovao p. 176
Vavaka sy Hira p. 293
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091