Raha misy olona nanota

Sas :
Raha misy olona nanota,
Manana mpisolo vava ao amin'ny Ray isika :
Dia i Jesoa Kristy, ilay marina.
(1 Jn. 2, 1)

(Sal. 50)

1. Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra ô,
Fa Ianao manko lalim-pitiavana
Mba koseho re ny heloka vitako.
Dia diovy aho hiala amin'ny otako !

2. Efa niaiky hadisoana ny tenako,
Eo imasoko hatrany ny otako.
Taminao aho no diso, Andriamanitra o
Fantatrao avokoa ny kilemako !

3. 'Zay lazainao tokoa no hany marina
Raha mitsara ianao ara-drariny.
Fa tanaty heloka aho re no teraka
Tamin'ny ota aho no notoritoronina.

4. Izay marina anaty no marina,
Ka toronao mangina aho ry Tompoko.
Ary fafazo ra aho ho sitrana
Hihoatra ny oram-panala ny dioko.

5. Ampiravoravoy ny fanahiko
Sy ny taolako voamontsamontsana.
Mba esory eo imaso ny otako,
Dia koseho tsy ho hita ny heloko !

6. Fo madio vaovao no angatahiko
Sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alana aminao aho, ry Tompoko,
Ny Fanahy aza esorinao amiko.

7. Amereno hafaliana aho ho vonjiko,
dia tolory fanahy tena mendrika.
Ny mpanota hotoroako lalana,
aminao no tsy maintsy hiverenany.

8. Mba fafao amin'izay ny tomaniko,
hilazako fa ianao no hany marina,
Eny, Tompo ô, sokafy ny molotro,

dia hidera anao tokoa 'zany vavako.

9. Lavinao tsotra izao ny fanatitra,
toy izany koa ireo sorona dorana:
Ny fanahy, ry Tompoko,
io no sorona tianao hatolotro.

10. Tsy odianao tsy hita, Andriamanitra,
ny fanahy torotoro sy trotraka,
I Si
ôna omeo fitsimbinana,
Mba areno 'lay Jerosalemako:

11. Dia ho manitra indray ny fanatitra
sy ny sorona isan-karazany.
Koa isaorako Ianao Andriamanitro,
lehibe ny indrafonao tamiko.

12. Zanakao no nanonitra ny otako
sy naniraka ny Fiangonany;
Ny Fanahy kosa tonga nitantana
hivalozan'ny foko tanteraka.

Nampiditra pissoa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 148
Fihirana Dera p. 196
Fihirana Hasina p. 212
Fihirana Vaovao p. 86
Vavaka sy Hira p. 288
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0669