Sambatra izay noana

Sambatra izay noana
Sambatra izay mangetaheta
Ny fahamarinan’Andriamanitra
Fa homen’i Kristy azy izany. (Mt. 5, 6)

(Sal. 41)

1. Mova tsy serfa ‘zay lian-doharano
Ny foko efa liana ny Tompoko;
Mangetaheta ny Tompo ny foko,
Dia ilay Andriamanitra velona!
Mba rahoviana aho re no handroso,
Hiseho anoloan’Andriamanitra?
Zary sakafoko ny ranomaso,
Indrisy isan’andro isan’alina!
 
2. 'Zao no mba resaka henoko hatrany:
Mba zovy hono re no Andriamanitro?
Ory ny foko mandevy ato anaty,
Raha vao mahatsiaro ny lasana.
Zany aho fahiny raha niakatra an-drova,
Hihaona amin’ny Tompo Andriamanitra,
Ndrey ny hafaliako eo anivom-bahoaka,
Handredona hiram-pisaorana!
 
3. Aoka ry foko aoka izay ny toloko;
Ny sento avelao ry fanahiko.
Zaho manko mbola hidera azy Tompo:
Fa vonjy Izy sady Andriamanitro.
Ory ny foko mandevy ao anaty
Satria mahatsiaro ny Tompoko:
'Zaho manko aty Jôrdany sy Hermôna,
Am-poto-kavoana tsy fantatra.
 
4. Varatra, kotroka, ora-mikija,
Na rano ao an-driana midoboka;
Onja mahery misamboaravoara:
Indray nifandafatra tamiko.
Andro ny Tompo maneho ny indrafony,
Mihira Azy kosa aho ny alina.
'Zao no mba vavaka ataoko amin’ny Tompo:
Endrey ry Andriamanitra tokiko.
 
5. Fa dia nahoana aho re no hadinoina
Ka lavon’ireo fahavaloko?
Toro ny taolana, 'zaho koa voalatsa
Mba zovy hono re no Andriamanitro?
Aoka, ry foko, aoka izay ny toloko;
Ny sento avelao, ry fanahiko,
'Zaho manko mbola hidera azy Tompo:
Fa vonjy Izy sady Andriamanitro.
 
6. 'Nty aho hidera ny Tompo tsy foiko
Hisaotra ny Raiko any an-danitra
Zanany no efa nitondra ahy mba hody
Higoka ny tena hasambarany
Mba rahoviana aho re no handroso
Hiseho anoloan’Andriamanitra
Zary sakafoko ny ranomaso
Indrisy isan’andro isan’alina.

Nampiditra ari.malala
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 97
Fihirana Dera p. 193
Fihirana Hasina p. 207
Fihirana Vaovao p. 276
Vavaka sy Hira p. 278
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0548