Voninahitra anie ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra - mihoby ny hasinao

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra
Any amin'ny avo indrindra ;
Fiadanana anie ho an'ny olombelona
Fa nanehoany ny Fitiavany.

Mihoby ny hasinao izahay,
Midera Anao izahay, Mihoby ny hasinao izahay,
Mankalaza Anao izahay, >>
Mitsaoka Anao izahay, >>
Misaotra Anao izahay. >>

Ry Tompo Andriamanitra mpanjakan'ny lanitra
Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra.

Mihoby ny hasinao izahay,
Midera Anao izahay, Mihoby ny hasinao izahay
Mankalaza Anao izahay, >>
Mitsaoka Anao izahay, >>
Misaotra Anao izahay. >>

Ry Jesoa Zanak'Andriamanitra ô,
Ianao no Zanaka lahitokana ;
Ry Zanak'ondrin'Andriamanitra ô
Ianao, ry Tompo, no Zanaky ny Ray.

Mamindrà fo aminay,
Ry Jesoa Tompo ô, Mamindrà fo aminay
Mpamonjy anay Ianao, >>
Mpanjakanay Ianao, >>
An-kavanan'Izy Ray. >>

Ianao irery no Masina, Ianao irery no Tompo
Ianao irery no Avo indrindra, ry Jesoa Kristy ô.

Ao amin'ny Fanahy Masina,
Ho Anao, ry Ray ô, Ao amin'ny Fanahy Masina
Ho Anao, ry Tompo ô, >>
Ny voninahitra e, >>
Mandrakizay, Amen. >>

Nampiditra pissoa
Sokajy Voninahitra
Fihirana Dera p. 261
Fihirana Hasina p. 150
Fihirana Vaovao p. 354
Vavaka sy Hira p. 714
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095