Voninahitra sy dera anie ho an'Andriamanitra loharanom-pitiavana

Fiv :
Voninahitra sy dera anie ho an'Andriamanitra
Loharanom-pitiavana,
Fiadanana, hafaliana ho an'ny olombelona
'Zay tsara sitrapo e.

 
1 - Midera Anao 'zahay,
    mankalaza Anao, ry Ray,
    Ry Tompo Andriamanitra ô :
    Mitsaoka Anao 'zahay
    sy mihoby ny hasinao
    Misaotra Anao 'zahay e.

2 - Ry Jesoa Tomponay ô,
    ry Zanaky ny Ray,
    Ry Tompo Andriamanitra ô :
    Mamindrà fo aminay,
    fa Ianao no Zokinay,
    Afaho ny helokay e.

3 - Ianao no avo indrindra,
    ry Jesoa Tomponay,
    Ianao re no Masina
    Ankavanan'Izy Ray,
    miaraka amin'ny Fanahy
    Ka omena fiderana.

Nampiditra pissoa
Sokajy Voninahitra
Fihirana Dera p. 264
Fihirana Hasina p. 421
Fihirana Vaovao p. 180
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179