Voninahitra anie ho an’Andriamanitra ê ê ;

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra ê ê ;
Any amin’ny avo indrindra (beso)
Fiadanana anie ho an’ny olombelona ê ê ;
Ety ambonin’ny tany (beso)
Fa nanehoanany ny hatsaram-pony ( in-2) ;
Fa nanehoany (beso)

 

1 - Voninahitra anie ho Anao ê ; Midera Anao izahay
Voninahitra anie ho Anao ê ; Mankalaza anao
Voninahitra anie ho Anao ê ; Mitsaoka anao izahay
Voninahitra anie ho Anao ê ; Mihoby ny hasinao
Voninahitra anie ho Anao ê ; Mitsaoka anao izahay
Noho ny haben’ny voninahitrao (in-2)


2- Voninahitra anie ho Anao ê ; Ry Tompo Andriamanitra
Voninahitra anie ho Anao ê ; Mpanjakan’ny lanitra
Voninahitra anie ho Anao ê ; Andriamanitra Ray mahefa
Voninahitra anie ho Anao ê ; Ny zavatra rehetra
Voninahitra anie ho Anao ê ; Ry zanaka tokana
Voninahitra anie ho Anao ê ; Zanaky ny Ray
Zanak’ondrin’Andriamanitra ; Zanaky ny Ray (in-2)

 

3- Manala ny fahotan’ izao tontolo izao Ianao ;
Ka mamindrà, mamindrà fo aminay
Manala ny fahotan’ izao tontolo izao Ianao ;
Ka mba raiso, raiso ny fifonanay
F’ ianao irery no masina, Ianao irery no Tompo
Ianao irery no avo indrindra ry Jesoa ô, Jesoa Kristy
Miaraka amin’ny Fanahy Masina ;
Ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray (in-2)

Nampiditra oliana
Sokajy Voninahitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092