Ny endrikao, ry Jesoa

1 - Ny endrikao, ry Jesoa ô, no takona aminay izao
    Fa ny finoanay mahita Anao  anatin’ny hôstia
    Jesoa ô, omeo anay finoana mafy sy tsy miova
    Hilazanay lalandava hoe: Mino Anao izahay
 
2 - Tantanonao, ry Jesoa ô, izany dianay atý
    Fa izahay manantena Anao anatin’ny hôstia
    Jesoa ô, omeo anay fanantenana hahita Anao
    An-danitra any rahatrizay, manantena izahay
 
3 - Fitiavam-be, ry Jesoa ô, no itoeranao lalandava
    Iandrasanao isan'andro anatin’ny hôstia
    Jesoa ô, omeo anay ny fanirina tsy te handao
    Tsy te hisaraka Aminao, fa tia Anao izahay

Nampiditra ari.malala
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 85
Fihirana Hasina p. 188
Vavaka sy Hira p. 748
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1075