Inty ny ora sarobidy

1 - Inty ny ora sarobidy hitsanganako
    Handraisako ny Tenanao, ry Jesoa mamiko
    Tsy dia mendrika aho ny hotsidihinao
    Kanefa sitrakao, ka avia re!
        Ô! sambatra aho re!
 
2 - Nandray ny Tenanao ny foko, ry Mpamonjiko
    Ka heni-kafaliana ny fanahiko izao
    Mitsaoka Anao re, misaotra Anao re
    Tsy hitako izay havaliko!
        Ô! sambatra aho re!
 
3 - Mba tsofy rano aho sy ny havako rehetra
    Sy izay mpanao soa anay sy ny sakaizako
    Ho tia anao re, tsy mba handao Anao
    Ka samy mba ho tonga an-danitrao
        Ô! sambatra aho re!

Nampiditra ari.malala
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 87
Fihirana Hasina p. 186
Fihirana Vaovao p. 374
Vavaka sy Hira p. 738
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091