Ny foko manome hasina Anao

Ny foko manome hasina Anao, Jesoa Tompoko,
Fa ny Ranao sy ny Ainao no mitoetra amiko.
Endrey ! Ny zava-tsoa nanambinanao ahy.
Endrey ! Fa Ianao, Jesoa,
Mpanjakan'ny mpanjaka no monina amiko.
Izaho te hanao hira fankasitrahana
Hankalazana Anao
Noho ny hamamian'ny fahasambarako.
 
 

Nampiditra pissoa
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 82
Fihirana Hasina p. 189
Fihirana Vaovao p. 379
Vavaka sy Hira p. 754
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093