Tonga nizara ny mofo ianao, ô ry Tompo ô

1. Tonga nizara ny mofo ianao, ô ry Tompo ô, ô ry Tompo ô
Sy nanalefaka ny hanoananay, ô ry Tompo ô ;
Tonga taty aminay ianao, ô ry Tompo ô, ô ry Tompo ô,
Ka nanamasina ny asan-tananay, ô ry Tompo ô.

Ianao no fiainana sy fahamarinana, ry Tompo ô,
Lalana tokan'ilay paradisan'ny Ray ô. (indroa)

2. Tonga nizara hasambarana ianao ...
'Lay hasambarana tena maharitra ...
Tonga namela ny heloka ianao ....
Ka nomenao ny mpanota ny tranonao ...

3. Tonga nijaly ho anay ianao ...
Sy nanamaivana ny fahorianay ...
Tonga nanavotra anay ianao ...
Mba ho mpandova ny fiainana mandrakizay ...

4. Nonina teto aminay ianao ...
Ka nampahafantatra anay ny Rainay ...
Dia voninahitra anie ho anao ...
Fankasitrahana mandrakizay. Amen ...

Nampiditra tywa68
Sokajy Komonio
Ankalazao ny Tompo p. 21
Fihirana Dera p. 182
Fihirana Hasina p. 191
Fihirana Vaovao p. 258
Vavaka sy Hira p. 509
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093