Indray hariva izay

1. Indray hariva izay ry Jesoa Tompo o
Nanolo-tena Ianao ho fitiavana anay

Fiv:
Mino aho Tompo ka te handray Anao
Ianao no Mofo velona avy any an-danitra


2. Nohamasininao ny mofo sy ny divay
Ka tonga Vatanao sy Ranao mpanadio

3. Fa velona Izy Ray, velona ao Aminy Ianao
Ka velona ao Aminao izay mandray Anao

4. Raha avy ny farandro, hasehonao Tompo o
Fa velona ao aminao izay nandray Anao

5. Masoandro lohataona ilay fitiavanao
Mamelombelona anay sy izao tontolo izao

Nampiditra ari.malala
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 91
Fihirana Hasina p. 185
Fihirana Vaovao p. 105
Vavaka sy Hira p. 745
Vavaka sy Hira p. 509
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009