Ny foko, ry Andriamanitra

1 - Ny foko, ry Andriamanitra
Maniry ny hihaona Aminao
Henoy ny fisentonsenton’
Ny foko te handray Anao.

Fiv: Mba lehibe ny hafaliana
Azo amin’ny komonio
Ny Tenanao, ry Jesoa Tompo
Efa ho tonga ao am-poko


2 - Ambonin’ny ôtely masina
Ianao no mitsinjo ahy
Avia, ry mpanavotra ahy
Fa mamiko ny Tenanao.

3 - Tsy mendrika handray Anao aho,
Ry Jesoa Tompon’ny foko,
Fa mitenena teny tokana
Ho sitrana ny fanahiko.

4 - Mba tiako ny hamamian’
Ny Mofon’ny Anjelinao
Fa Izy no fiainanay 
Sy herinay sy tokinay.

Nampiditra ari.malala
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 97
Fihirana Hasina p. 647
Fihirana Vaovao p. 373
Vavaka sy Hira p. 744
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0703