Amin'ny fo madio Baba

Amin’ny fo madio a, Baba,
No anoloranay e! Ireto fanatitray e!
Amin’ny fo madio a, Baba,
No anoloranay e! Ireto fanatitray e!
Ho fiderana anao, hisaoranay anao,
ia e e amin’ny fo madio ô amin’ny fo madio ô

1 - Anao Baba no anolorana,
'Ty mofo sy divay
Ho vatana ho ràn’ i Jesoa
Ho tohim-pihavanana
Ho sorom-pitahiana
Ho a a Baba a
Anao any an-danitra
A Baba e.

2- Anao Baba no anolorana
Ny tenanay tontolo
Ny fikasana jiaby
Miaraka amin’ i Jesoa
Ho jôro ho an’ny hafa
Ho a a Baba
Anao any an-danitra
A Baba e.

 

Anao Baba no anolorana
Ny tenanay tontolo
Ny fikasana jiaby
Miaraka amin'i Jesoa
Ho joro ho an'ny hafa
E ! a Baba !
-- Anao ao an-danitra ao !
-- A ! Baba e !

Anao Baba no anolorana,
Ny vokatry ny asa tany
Ny vokatry ny fiompiana
Ny vokatry ny asanay
Ny solom-bokatray
E ! a Baba !
-- Anao ao an-danitra ao !
-- A ! Baba e !

Anao Baba no anolorana
Ny fiombonanay
Ny ezaka fampivoarana
Izay tsara mba vitanay
Maharavoravo anay
E ! a Baba !
-- Anao ao an-danitra ao !
-- A ! Baba e !

Anao Baba no anolorana
Ny asaloha isan'andro
Ny jalin'ny vahoaka
Ny ezaka tsy nahomby
Atolotray italahoana
E ! a Baba !
-- Anao ao an-danitra ao !
-- A ! Baba e !

Nampiditra oliana
Sokajy Fanolorana
Antsao ny Tompo p. 309
Fihirana Dera p. 271
Fihirana Hasina p. 379
Karine Dera p. 440
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0541